×

Claude Erick Rakotoarisoa's video: NY VOLA ---HENRI RATSIMBAZAFY ---1971

@NY VOLA ---HENRI RATSIMBAZAFY ---1971
fiaraha-miasa miaraka amin'ny SARIFEO Version Live (2008) ========= (Version Originale: Album : "Henri Ratsimbazafy – Ny Vola / Hisaorako Anao" Label:Discomad – 466 525 Format:Vinyle, 7", 45 RPM (45 tours) Country Prod :Madagascar) =========== I Ny maha olona dia ny fanahy, ny vola kosa hono, io no maha-rangahy, Ireo vazaha milaza, tsy miambatrambatra fa ny vola hono tsy mahasambatra. Misy kosa anefa hafa fisainana, milaza fa ny vola hozatry ny fiainana, dia ezahany andro aman'alina ny hanam-bola be, vola aman'alina. II Ny fitiavana aza, azo mora hono raha ny vola no ataonao jono izay voany manao be rapaka ka voasaringotra izay vao tsy afaka. Nony ela anefa lany ihany ny vola, injay koa ilay fitia fa zary tola, irony tositosy mivadika ho latsa tsy misy intsony mantsy, lany teo ny patsa III Hariva ny andro, tonga ny aizina Rafahafatesana eo, tsy azo laizina Tambazam-bola be, tolorana harena, Rafahafatesana... mihenahena ! Lambamena fito, lambamena sisa ary voninkazo maro tsy hita isa no manaraka hatrany am-pasana fa ny vola be momba ny lasana I sy II Ref.: Vola o Hatraiza moa no fetran'ny herinao ? Vola o ny olona rehetra manaiky anao, manompo anao. III Re£ Vola o Hay va re misy fetra ny herinao ! Vola o ny olona rehetra manompo anao andevonao.

0

0
Claude Erick Rakotoarisoa
Subscribers
20.1K
Total Post
5.7K
Total Views
33.6K
Avg. Views
230.4
View Profile
This video was published on 2021-02-19 12:25:55 GMT by @HENRI-RATSIMBAZAFY- on Youtube. Claude Erick Rakotoarisoa has total 20.1K subscribers on Youtube and has a total of 5.7K video.This video has received 0 Likes which are lower than the average likes that Claude Erick Rakotoarisoa gets . @HENRI-RATSIMBAZAFY- receives an average views of 230.4 per video on Youtube.This video has received 0 comments which are lower than the average comments that Claude Erick Rakotoarisoa gets . Overall the views for this video was lower than the average for the profile.

Other post by @HENRI RATSIMBAZAFY